JOHN
Chapter 10
John | Mg1865 | 10:1 | Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. | |
John | Mg1865 | 10:3 | Ary izy no vohan’ ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka. | |
John | Mg1865 | 10:4 | Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. | |
John | Mg1865 | 10:6 | Izany fanoharana izany no nolazain’ i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. | |
John | Mg1865 | 10:7 | Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry. | |
John | Mg1865 | 10:9 | Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. | |
John | Mg1865 | 10:10 | Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. | |
John | Mg1865 | 10:12 | Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; | |
John | Mg1865 | 10:15 | dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. | |
John | Mg1865 | 10:16 | Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. | |
John | Mg1865 | 10:17 | Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. | |
John | Mg1865 | 10:18 | Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko. | |
John | Mg1865 | 10:20 | Ary maro tamin’ ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? | |
John | Mg1865 | 10:21 | Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin’ ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ ny jamba? | |
John | Mg1865 | 10:22 | Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. | |
John | Mg1865 | 10:23 | Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona. | |
John | Mg1865 | 10:24 | Dia nitangoronan’ ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. | |
John | Mg1865 | 10:25 | Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ ny anaran’ ny Raiko no manambara Ahy. | |
John | Mg1865 | 10:28 | ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako. | |
John | Mg1865 | 10:29 | Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ ny tanan’ ny Ray. | |
John | Mg1865 | 10:32 | Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy? | |
John | Mg1865 | 10:33 | Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. | |
John | Mg1865 | 10:34 | Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?. | |
John | Mg1865 | 10:35 | Raha ireny izay nanaovana izany tenin’ Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masìna tsy azo foanana), | |
John | Mg1865 | 10:36 | moa Izay nohasinin’ ny Ray ka nirahiny ho amin’ izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’ Andriamanitra Aho? | |
John | Mg1865 | 10:38 | Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ ny Ray. | |
John | Mg1865 | 10:40 | Dia lasa nankany an-dafin’ i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ ilay tany nanaovan’ i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy. | |
John | Mg1865 | 10:41 | Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa. | |