Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LEVITICUS
Prev Up Next
Chapter 26
Levi Mg1865 26:1  Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Levi Mg1865 26:2  Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.
Levi Mg1865 26:3  Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
Levi Mg1865 26:4  dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
Levi Mg1865 26:5  Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.
Levi Mg1865 26:6  Any homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
Levi Mg1865 26:7  Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
Levi Mg1865 26:8  Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
Levi Mg1865 26:9  Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
Levi Mg1865 26:10  Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
Levi Mg1865 26:11  Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Levi Mg1865 26:12  Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
Levi Mg1865 26:13  Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
Levi Mg1865 26:14  Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Levi Mg1865 26:15  ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
Levi Mg1865 26:16  Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Levi Mg1865 26:17  Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
Levi Mg1865 26:18  Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
Levi Mg1865 26:19  Ary horavako ny reharehan’ ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
Levi Mg1865 26:20  fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
Levi Mg1865 26:21  Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
Levi Mg1865 26:22  Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
Levi Mg1865 26:23  Any raha tsy mandray ny anatro amin’ izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
Levi Mg1865 26:24  Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Levi Mg1865 26:25  Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ ny fahavalo ianareo.
Levi Mg1865 26:26  Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
Levi Mg1865 26:27  Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’ izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
Levi Mg1865 26:28  dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Levi Mg1865 26:29  Dia hihinana ny nofon’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
Levi Mg1865 26:30  Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ ny fatin’ ny sampinareo, ary ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Levi Mg1865 26:31  Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
Levi Mg1865 26:32  Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’ izany ny fahavalonareo izay monina eo.
Levi Mg1865 26:33  Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Levi Mg1865 26:34  Ary amin’ izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
Levi Mg1865 26:35  amin’ ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon’ izay tsy nitsaharany tamin’ ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
Levi Mg1865 26:36  Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Levi Mg1865 26:37  Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
Levi Mg1865 26:38  Any dia ho lany ringana any amin’ ny jentilisa ianareo, any ho lanin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo.
Levi Mg1865 26:39  Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
Levi Mg1865 26:40  Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
Levi Mg1865 26:41  ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
Levi Mg1865 26:42  dia hotsarovako ny fanekeko tamin’ i Jakoba sy ny fanekeko tamin’ Isaka ary ny fanekeko tamin’ i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
Levi Mg1865 26:43  Ary ny tany hilaozan’ ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin’ ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan’ ny fanahiny ny didiko.
Levi Mg1865 26:44  Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
Levi Mg1865 26:45  Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta teo Imason’ ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
Levi Mg1865 26:46  lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’ i Jehovah ho aminy sy amin’ ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’ i Mosesy.