Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
TITUS
Up
1 2 3
Toggle notes
Chapter 1
Titu Mg1865 1:1  Paoly, mpanompon’ Andriamanitra sy Apostolin’ i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
Titu Mg1865 1:2  amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
Titu Mg1865 1:3  fa tamin’ izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
Titu Mg1865 1:4  ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
Titu Mg1865 1:5  Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
Titu Mg1865 1:6  raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ ny ratsy na ho maditra.
Titu Mg1865 1:7  Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
Titu Mg1865 1:8  fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
Titu Mg1865 1:9  mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
Titu Mg1865 1:10  Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
Titu Mg1865 1:11  tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
Titu Mg1865 1:12  Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.
Titu Mg1865 1:13  Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ ny finoana,
Titu Mg1865 1:14  tsy mitandrina ny anganonganon’ ny Jiosy sy ny didin’ ny olona izay mivily miala amin’ ny fahamarinana.
Titu Mg1865 1:15  Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Titu Mg1865 1:16  Manaiky fa mahalala an’ Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
Chapter 2
Titu Mg1865 2:1  Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;
Titu Mg1865 2:2  ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ ny finoana, amin’ ny fitiavana, amin’ ny faharetana.
Titu Mg1865 2:3  Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masìna, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
Titu Mg1865 2:4  mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
Titu Mg1865 2:5  hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’ Andriamanitra.
Titu Mg1865 2:6  Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
Titu Mg1865 2:7  ka amin’ ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
Titu Mg1865 2:8  ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
Titu Mg1865 2:9  Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
Titu Mg1865 2:10  tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ ny zavatra rehetra.
Titu Mg1865 2:11  Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
Titu Mg1865 2:12  mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao,
Titu Mg1865 2:13  miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
Titu Mg1865 2:14  Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.
Titu Mg1865 2:15  Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
Chapter 3
Titu Mg1865 3:1  Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,
Titu Mg1865 3:2  tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.
Titu Mg1865 3:3  Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
Titu Mg1865 3:4  Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
Titu Mg1865 3:5  dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masìna,
Titu Mg1865 3:6  Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
Titu Mg1865 3:7  mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
Titu Mg1865 3:8  Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
Titu Mg1865 3:9  Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
Titu Mg1865 3:10  Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
Titu Mg1865 3:11  satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
Titu Mg1865 3:12  Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
Titu Mg1865 3:13  Mazotoa hamoaka an’ i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
Titu Mg1865 3:14  Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
Titu Mg1865 3:15  Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.