Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 35
Exod Mg1865 35:1  Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian’ i Jehovah hatao:
Exod Mg1865 35:2  Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Exod Mg1865 35:3  Aza mampirehitra afo amin’ ny andro Sabata any amin’ izay rehetra itoeranareo.
Exod Mg1865 35:4  Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
Exod Mg1865 35:5  Manalà ao aminareo fanatitra ho an’ i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
Exod Mg1865 35:6  ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon’ osy
Exod Mg1865 35:7  sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
Exod Mg1865 35:8  sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
Exod Mg1865 35:9  ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra.
Exod Mg1865 35:10  Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah:
Exod Mg1865 35:11  dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
Exod Mg1865 35:12  ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
Exod Mg1865 35:13  ary ny latabatra sy ny baony mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
Exod Mg1865 35:14  ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin’ ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
Exod Mg1865 35:15  ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely,
Exod Mg1865 35:16  ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
Exod Mg1865 35:17  ary ny fefy lamba ho amin’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja,
Exod Mg1865 35:18  ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
Exod Mg1865 35:19  ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona ary ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona.
Exod Mg1865 35:20  Dia niala teo anatrehan’ i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Exod Mg1865 35:21  Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masìna.
Exod Mg1865 35:22  Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Exod Mg1865 35:23  Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
Exod Mg1865 35:24  Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ ny fanompoana dia nitondra azy.
Exod Mg1865 35:25  Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
Exod Mg1865 35:26  Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ ny fony tamin’ ny fahendrena dia namoly ny volon’ osy.
Exod Mg1865 35:27  Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra,
Exod Mg1865 35:28  ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ ny diloilo fanosorana ary ho amin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
Exod Mg1865 35:29  Ary ny Zanak’ Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’ i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao.
Exod Mg1865 35:30  Ary hoy Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Indro, efa notononin’ i Jehovah anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda,
Exod Mg1865 35:31  ka efa nofenoiny fanahin’ Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa,
Exod Mg1865 35:32  dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
Exod Mg1865 35:33  ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
Exod Mg1865 35:34  Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.
Exod Mg1865 35:35  Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an’ ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an’ ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary amin’ ny rongony fotsy madinika ary ny an’ ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.