GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 5
Gene | Mg1865 | 5:1 | Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy; | |
Gene | Mg1865 | 5:2 | lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy. | |
Gene | Mg1865 | 5:3 | Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. | |
Gene | Mg1865 | 5:4 | Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:5 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:6 | Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:7 | Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:8 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; | |
Gene | Mg1865 | 5:9 | Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:10 | Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; | |
Gene | Mg1865 | 5:11 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:12 | Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:13 | Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:14 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:15 | Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:16 | Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:17 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:18 | Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:19 | Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:20 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:21 | Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:22 | Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:23 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. | |
Gene | Mg1865 | 5:24 | Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra. | |
Gene | Mg1865 | 5:25 | Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:26 | Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:27 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:28 | Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; | |
Gene | Mg1865 | 5:29 | ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah. | |
Gene | Mg1865 | 5:30 | Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | |
Gene | Mg1865 | 5:31 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy. | |