MATTHEW
Chapter 21
Matt | Mg1865 | 21:1 | Ary raha nanakaiky an’ i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: | |
Matt | Mg1865 | 21:2 | Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’ izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko. | |
Matt | Mg1865 | 21:3 | Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’ izay izy. | |
Matt | Mg1865 | 21:5 | Lazao amin’ i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa. | |
Matt | Mg1865 | 21:7 | dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. | |
Matt | Mg1865 | 21:8 | Ary ny ankabiazan’ ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. | |
Matt | Mg1865 | 21:9 | Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra. | |
Matt | Mg1865 | 21:10 | Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao? | |
Matt | Mg1865 | 21:11 | Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia. | |
Matt | Mg1865 | 21:12 | Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempolin’ Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala; | |
Matt | Mg1865 | 21:13 | dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy. | |
Matt | Mg1865 | 21:14 | Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy. | |
Matt | Mg1865 | 21:15 | Fa nony hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! ― dia tezitra izy | |
Matt | Mg1865 | 21:16 | ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana? | |
Matt | Mg1865 | 21:17 | Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy. | |
Matt | Mg1865 | 21:19 | Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy. | |
Matt | Mg1865 | 21:20 | Ary nony hitan’ ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? | |
Matt | Mg1865 | 21:21 | Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. | |
Matt | Mg1865 | 21:22 | Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo. | |
Matt | Mg1865 | 21:23 | Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? | |
Matt | Mg1865 | 21:24 | Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: | |
Matt | Mg1865 | 21:25 | Ny batisan’ i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo? | |
Matt | Mg1865 | 21:26 | Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’ izy rehetra ho mpaminany Jaona. | |
Matt | Mg1865 | 21:27 | Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. | |
Matt | Mg1865 | 21:28 | Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanim-boaloboko anio. | |
Matt | Mg1865 | 21:29 | Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. | |
Matt | Mg1865 | 21:30 | Dia nankeo amin’ ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. | |
Matt | Mg1865 | 21:31 | Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Matt | Mg1865 | 21:32 | Fa Jaona nankany aminareo tamin’ ny lalan’ ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy. | |
Matt | Mg1865 | 21:33 | Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy. | |
Matt | Mg1865 | 21:34 | Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra. | |
Matt | Mg1865 | 21:35 | Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. | |
Matt | Mg1865 | 21:36 | Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny. | |
Matt | Mg1865 | 21:37 | Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. | |
Matt | Mg1865 | 21:38 | Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. | |
Matt | Mg1865 | 21:39 | Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka, dia namono azy. | |
Matt | Mg1865 | 21:40 | Koa raha tonga ny tompon’ ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany? | |
Matt | Mg1865 | 21:41 | Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ ny fotoany avy. | |
Matt | Mg1865 | 21:42 | Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masìna hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?. | |
Matt | Mg1865 | 21:43 | Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. | |
Matt | Mg1865 | 21:44 | Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo. | |
Matt | Mg1865 | 21:45 | Ary rehefa ren’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’ i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’ izany. | |