ACTS
Chapter 2
Acts | Mg1865 | 2:2 | Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. | |
Acts | Mg1865 | 2:3 | Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany. | |
Acts | Mg1865 | 2:4 | Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy. | |
Acts | Mg1865 | 2:5 | Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra. | |
Acts | Mg1865 | 2:6 | Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra. | |
Acts | Mg1865 | 2:7 | Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? | |
Acts | Mg1865 | 2:9 | ― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia | |
Acts | Mg1865 | 2:10 | sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, | |
Acts | Mg1865 | 2:11 | Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra? | |
Acts | Mg1865 | 2:12 | Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany? | |
Acts | Mg1865 | 2:14 | Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: | |
Acts | Mg1865 | 2:15 | Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. | |
Acts | Mg1865 | 2:17 | Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; | |
Acts | Mg1865 | 2:18 | Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy; | |
Acts | Mg1865 | 2:19 | Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka; | |
Acts | Mg1865 | 2:20 | Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza; | |
Acts | Mg1865 | 2:22 | Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, | |
Acts | Mg1865 | 2:23 | Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna; | |
Acts | Mg1865 | 2:24 | fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy. | |
Acts | Mg1865 | 2:25 | Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, | |
Acts | Mg1865 | 2:26 | Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana; | |
Acts | Mg1865 | 2:27 | Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; | |
Acts | Mg1865 | 2:28 | Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao. | |
Acts | Mg1865 | 2:29 | Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. | |
Acts | Mg1865 | 2:30 | Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany, | |
Acts | Mg1865 | 2:31 | koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. | |
Acts | Mg1865 | 2:32 | Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra. | |
Acts | Mg1865 | 2:33 | Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. | |
Acts | Mg1865 | 2:34 | Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana | |
Acts | Mg1865 | 2:36 | Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. | |
Acts | Mg1865 | 2:37 | Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? | |
Acts | Mg1865 | 2:38 | Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna; | |
Acts | Mg1865 | 2:39 | fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. | |
Acts | Mg1865 | 2:40 | Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo. | |
Acts | Mg1865 | 2:41 | Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany. | |
Acts | Mg1865 | 2:42 | Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. | |
Acts | Mg1865 | 2:43 | Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly. | |
Acts | Mg1865 | 2:44 | Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, | |
Acts | Mg1865 | 2:45 | ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy. | |
Acts | Mg1865 | 2:46 | Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, | |