NUMBERS
Chapter 32
Numb | Mg1865 | 32:1 | Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io, | |
Numb | Mg1865 | 32:2 | dia avy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka niteny tamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin’ ny lohan’ ny fiangonana ka nanao hoe: | |
Numb | Mg1865 | 32:3 | Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona, | |
Numb | Mg1865 | 32:4 | ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry; | |
Numb | Mg1865 | 32:5 | dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’ i Jordana izahay. | |
Numb | Mg1865 | 32:6 | Dia hoy Mosesy tamin’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va? | |
Numb | Mg1865 | 32:7 | Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy? | |
Numb | Mg1865 | 32:8 | Izany no nataon’ ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy; | |
Numb | Mg1865 | 32:9 | fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay efa nomen’ i Jehovah azy. | |
Numb | Mg1865 | 32:10 | Ary nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe: | |
Numb | Mg1865 | 32:11 | Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy; | |
Numb | Mg1865 | 32:12 | afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 32:13 | Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 32:14 | Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely. | |
Numb | Mg1865 | 32:15 | Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao. | |
Numb | Mg1865 | 32:16 | Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ ny omby aman’ ondrinay sy tanàna koa ho an’ ny zanakay madinika; | |
Numb | Mg1865 | 32:17 | fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ ny tany. | |
Numb | Mg1865 | 32:18 | Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon’ ny Zanak’ Isiraely ny zara-taniny avy. | |
Numb | Mg1865 | 32:19 | Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay. | |
Numb | Mg1865 | 32:20 | Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan’ i Jehovah ho any an-tafika, | |
Numb | Mg1865 | 32:21 | ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin’ i Jordana eo anatrehan’ i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany, | |
Numb | Mg1865 | 32:22 | ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 32:23 | Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo. | |
Numb | Mg1865 | 32:24 | Manaova tanàna ho an’ ny zanakareo madinika sy vala ho an’ ny ondry aman’ osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. | |
Numb | Mg1865 | 32:25 | Dia niteny tamin’ i Mosesy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko: | |
Numb | Mg1865 | 32:26 | ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman’ osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ ny tanànan’ i Gileada; | |
Numb | Mg1865 | 32:27 | fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko. | |
Numb | Mg1865 | 32:28 | Ary Mosesy dia nandidy an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ny amin’ ireo | |
Numb | Mg1865 | 32:29 | ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny; | |
Numb | Mg1865 | 32:30 | fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin’ ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany. | |
Numb | Mg1865 | 32:31 | Dia namaly ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpanomponao no hataonay: | |
Numb | Mg1865 | 32:32 | Izabay handeha hita eo anatrehan’ i Jehovah ho any amin’ ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany. | |
Numb | Mg1865 | 32:33 | Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina. | |
Numb | Mg1865 | 32:38 | sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony. | |
Numb | Mg1865 | 32:39 | Ary ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo. | |
Numb | Mg1865 | 32:41 | Ary Jaïra, zanak’ i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra. | |