Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next
Chapter 23
Ezek Mg1865 23:1  Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 23:2  Ry zanak’ olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
Ezek Mg1865 23:3  ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon’ ny fahavirijinany.
Ezek Mg1865 23:4  Ny anaran’ ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
Ezek Mg1865 23:5  Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
Ezek Mg1865 23:6  izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
Ezek Mg1865 23:7  Nijangajanga tamin’ ireny izy, dia tamin’ izay tsara indrindra tamin’ ny zanakalahin’ i Asyria sy tamin’ izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
Ezek Mg1865 23:8  Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
Ezek Mg1865 23:9  Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan’ ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan’ ny Asyriana izay nahamaimay azy.
Ezek Mg1865 23:10  Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ ny vehivavy izy ary efa niharan’ ny fitsarana.
Ezek Mg1865 23:11  Ary nony hitan’ i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an’ ny rahavaviny,
Ezek Mg1865 23:12  Maimay tamin’ ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
Ezek Mg1865 23:13  Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’ izy mirahavavy;
Ezek Mg1865 23:14  ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin’ ny rindrina izy sy ny sarin’ ny Kaldeana voasoratra tamin’ ny loko mena.
Ezek Mg1865 23:15  samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak’ andriana, dia tahaka ny zanakalahin’ i Babylona, izay teraka tany amin’ ny tany Kaldea.
Ezek Mg1865 23:16  Ary raha vao hitan’ ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
Ezek Mg1865 23:17  Ary tonga tany aminy ho ao amin’ ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin’ i Babylona ka nandoto azy tamin’ ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
Ezek Mg1865 23:18  Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ ny fanahiko niala tamin’ ny rahavaviny ihany.
Ezek Mg1865 23:19  Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin’ ny tany Egypta.
Ezek Mg1865 23:20  Fa izy dia maimay tamin’ ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ ny soavaly.
Ezek Mg1865 23:21  Nitady ny fijangajangan’ ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ ny fahavirijinanao ireo.
Ezek Mg1865 23:22  Koa izao, ry Oholiba, no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan’ ny fanahinao, ka ho entiko avy amin’ ny tany manodidina izy mba hamely anao,
Ezek Mg1865 23:23  dia ireny zanakalahin’ i Babylona mbamin’ ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andriandahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’ andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
Ezek Mg1865 23:24  Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin’ ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
Ezek Mg1865 23:25  Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin’ ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin’ ny afo.
Ezek Mg1865 23:26  Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
Ezek Mg1865 23:27  Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
Ezek Mg1865 23:28  Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan’ izay halanao ianao, dia eo an-tanan’ izay efa niombotan’ ny fanahinao;
Ezek Mg1865 23:29  ary hamely anao amin’ ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Ezek Mg1865 23:30  Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ ny sampiny.
Ezek Mg1865 23:31  Tamin’ ny nalehan’ ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
Ezek Mg1865 23:32  Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
Ezek Mg1865 23:33  Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak’ i Samaria rahavavinao.
Ezek Mg1865 23:34  Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
Ezek Mg1865 23:35  Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Ezek Mg1865 23:36  Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
Ezek Mg1865 23:37  fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an’ ireny mba ho levona.
Ezek Mg1865 23:38  Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masìna izy tamin’ izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
Ezek Mg1865 23:39  Ary nony efa novonoiny ho an’ ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’ iny andro iny ihany ny fitoerako masìna ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ ny tranoko.
Ezek Mg1865 23:40  Ary koa, naniraka ho any amin’ ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
Ezek Mg1865 23:41  ary nipetrahanao tamin’ ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
Ezek Mg1865 23:42  Ary teo aminy nisy ny feon’ ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian’ ireo haba teny an-tànan’ izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
Ezek Mg1865 23:43  Dia hoy Izaho ny amin’ ilay efa tontan’ ny fijangajangana ela: Amin’ izao dia mbola hisy hijangajanga amin’ io ihany va?
Ezek Mg1865 23:44  Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin’ ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin’ i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
Ezek Mg1865 23:45  Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
Ezek Mg1865 23:46  Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.
Ezek Mg1865 23:47  Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin’ ny afo koa ny tranony.
Ezek Mg1865 23:48  Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
Ezek Mg1865 23:49  Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.