Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LEVITICUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 11
Levi Mg1865 11:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
Levi Mg1865 11:2  Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin’ ny biby rehetra ambonin’ ny tany:
Levi Mg1865 11:3  Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
Levi Mg1865 11:4  Kanefa amin’ izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
Levi Mg1865 11:5  ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
Levi Mg1865 11:6  ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
Levi Mg1865 11:7  ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
Levi Mg1865 11:8  Ny henan’ ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
Levi Mg1865 11:9  Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, no ho fihinanareo;
Levi Mg1865 11:10  fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, na amin’ izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ ny zava-manan’ aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
Levi Mg1865 11:11  eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
Levi Mg1865 11:12  Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
Levi Mg1865 11:13  Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
Levi Mg1865 11:16  ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
Levi Mg1865 11:17  ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
Levi Mg1865 11:19  sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
Levi Mg1865 11:20  Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
Levi Mg1865 11:21  nefa izao kosa no ho fihinanareo amin’ ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin’ ny faladiany hitsipihany eo amin’ ny tany.
Levi Mg1865 11:22  Amin’ ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
Levi Mg1865 11:23  Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
Levi Mg1865 11:24  Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Levi Mg1865 11:25  Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Levi Mg1865 11:26  Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
Levi Mg1865 11:27  Ary izay rehetra mandeha amin’ ny faladiany, amin’ ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
Levi Mg1865 11:28  Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan’ ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
Levi Mg1865 11:29  Ary izao no haloto aminareo amin’ ny biby izay mandady na mikisaka amin’ ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
Levi Mg1865 11:30  ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
Levi Mg1865 11:31  Ireo no maloto aminareo amin’ ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ ireo dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Levi Mg1865 11:32  Ary izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy vao hadio.
Levi Mg1865 11:33  Ary ny amin’ ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ ny fatin’ ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
Levi Mg1865 11:34  Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin’ ny fanaka inona na tamin’ ny fanaka inona.
Levi Mg1865 11:35  Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
Levi Mg1865 11:36  Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
Levi Mg1865 11:37  Ary raha misy fatin’ ireo latsaka amin’ ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
Levi Mg1865 11:38  Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ ny rano ka ilatsahan’ ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
Levi Mg1865 11:39  Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izay mikasika ny fatiny.
Levi Mg1865 11:40  Ary izay mihinana amin’ ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ ny andro
Levi Mg1865 11:41  Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
Levi Mg1865 11:42  Izay rehetra mandady amin’ ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
Levi Mg1865 11:43  Aza mametaveta ny tenanareo amin’ izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
Levi Mg1865 11:44  Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’ izay zavatra mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Levi Mg1865 11:45  Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
Levi Mg1865 11:46  Izany no lalàna ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan’ aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany,
Levi Mg1865 11:47  mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.