Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CHRONICLES
Prev Up Next
Chapter 11
I Ch Mg1865 11:1  Ary dia nivory teo amin’ i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
I Ch Mg1865 11:2  Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
I Ch Mg1865 11:3  Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Samoela.
I Ch Mg1865 11:4  Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
I Ch Mg1865 11:5  Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
I Ch Mg1865 11:6  Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
I Ch Mg1865 11:7  Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’ i Davida
I Ch Mg1865 11:8  Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin’ ny tanàna.
I Ch Mg1865 11:9  Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no nomba azy.
I Ch Mg1865 11:10  Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
I Ch Mg1865 11:11  Dia izao no isan’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Jasobeama, zanak’ i Hakmony, lehiben’ ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka naharingana azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
I Ch Mg1865 11:12  Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery.
I Ch Mg1865 11:13  Izy dia teo amin’ i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
I Ch Mg1865 11:14  Fa nijanona teo afovoan’ io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
I Ch Mg1865 11:15  Ary nisy telo lahy malaza tamin’ ny telo-polo nidina nankeo amin’ ny vatolampy ho any amin’ i Davida tamin’ ny zohin’ i Adolama; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby tao amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
I Ch Mg1865 11:16  Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
I Ch Mg1865 11:17  Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady.
I Ch Mg1865 11:18  Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tao amin’ ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah.
I Ch Mg1865 11:19  Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’ Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
I Ch Mg1865 11:20  Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, no lehibe tamin’ izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
I Ch Mg1865 11:21  Eny, tamin’ izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
I Ch Mg1865 11:22  Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ ny lavaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny.
I Ch Mg1865 11:23  Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
I Ch Mg1865 11:24  Izany zavatra izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
I Ch Mg1865 11:25  Indro fa be voninahitra tamin’ ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
I Ch Mg1865 11:26  Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, sy Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
I Ch Mg1865 11:28  sy Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta, sy Abiezera Anatotita
I Ch Mg1865 11:30  sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak’ i Bana Netofatita,
I Ch Mg1865 11:31  sy Itahy, zanak’ i Ribay avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina, sy Benaia Piratonita
I Ch Mg1865 11:32  sy Horay, any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy, sy Abiela Arbatita
I Ch Mg1865 11:34  sy ny zanak’ i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak’ i Sage Hararita,
I Ch Mg1865 11:35  sy Ahiama, zanak’ i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak’ i Ora,
I Ch Mg1865 11:38  sy Joela, rahalahin’ i Natana, sy Mibara, zanak’ i Hagry.
I Ch Mg1865 11:39  sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
I Ch Mg1865 11:42  sy Adina, zanak’ i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
I Ch Mg1865 11:44  sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak’ i Hotama Aroerita,
I Ch Mg1865 11:45  sy Jediaela, zanak’ i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
I Ch Mg1865 11:46  sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak’ i Elnama, sy Jitma Moabita