Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 4
John Mg1865 4:1  Koa amin’ izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
John Mg1865 4:2  (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
John Mg1865 4:3  dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
John Mg1865 4:5  Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ ny tany izay nomen’ i Jakoba ho an’ i Josefa zanany.
John Mg1865 4:6  Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
John Mg1865 4:7  Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
John Mg1865 4:8  (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
John Mg1865 4:9  Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ ny Samaritana.)
John Mg1865 4:10  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
John Mg1865 4:11  Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
John Mg1865 4:12  Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ ny bibiny no nisotro teto?
John Mg1865 4:13  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
John Mg1865 4:14  fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
John Mg1865 4:15  Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
John Mg1865 4:16  Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ.
John Mg1865 4:17  Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
John Mg1865 4:18  fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
John Mg1865 4:19  Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
John Mg1865 4:20  Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
John Mg1865 4:21  Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.
John Mg1865 4:22  Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.
John Mg1865 4:23  Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
John Mg1865 4:24  Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.
John Mg1865 4:25  Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
John Mg1865 4:26  Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
John Mg1865 4:27  Ary tamin’ izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
John Mg1865 4:28  Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ ny olona hoe:
John Mg1865 4:29  Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
John Mg1865 4:30  Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy.
John Mg1865 4:31  Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
John Mg1865 4:32  Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
John Mg1865 4:33  Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
John Mg1865 4:34  Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
John Mg1865 4:35  Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
John Mg1865 4:36  Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
John Mg1865 4:37  Ary amin’ izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
John Mg1865 4:38  Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany.
John Mg1865 4:39  Ary maro ny Samaritana avy tao amin’ izany tanàna izany no nino an’ i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
John Mg1865 4:40  Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
John Mg1865 4:42  ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
John Mg1865 4:43  Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
John Mg1865 4:44  Fa ny tenan’ i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ ny taniny.
John Mg1865 4:45  Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ ny andro firavoravoana.
John Mg1865 4:46  Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
John Mg1865 4:47  Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
John Mg1865 4:48  Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
John Mg1865 4:49  Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
John Mg1865 4:50  Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
John Mg1865 4:51  Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
John Mg1865 4:52  Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ ny ora fahafito no nialan’ ny tazo taminy.
John Mg1865 4:53  Koa fantatry ny rainy fa tamin’ izay indrindra no ora nanaovan’ i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ ny ankohonany rehetra.
John Mg1865 4:54  Izany no famantarana faharoa nataon’ i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.