Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JEREMIAH
Prev Up Next
Chapter 51
Jere Mg1865 51:1  Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
Jere Mg1865 51:2  Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ ny andro fahoriana ireo.
Jere Mg1865 51:3  Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,
Jere Mg1865 51:4  Mba hiampatrampatra any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
Jere Mg1865 51:5  Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely aza ny taniny.
Jere Mg1865 51:6  Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.
Jere Mg1865 51:7  Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
Jere Mg1865 51:8  Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
Jere Mg1865 51:9  Nitady hanasitrana an’ i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin’ ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ ny rahona.
Jere Mg1865 51:10  Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.
Jere Mg1865 51:11  Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Jere Mg1865 51:12  Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.
Jere Mg1865 51:13  Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
Jere Mg1865 51:14  Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
Jere Mg1865 51:15  Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
Jere Mg1865 51:16  Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
Jere Mg1865 51:17  Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
Jere Mg1865 51:18  Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Jere Mg1865 51:19  Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Jere Mg1865 51:20  Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
Jere Mg1865 51:21  Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
Jere Mg1865 51:22  Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
Jere Mg1865 51:23  Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
Jere Mg1865 51:24  Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
Jere Mg1865 51:25  Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
Jere Mg1865 51:26  Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
Jere Mg1865 51:27  Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Jere Mg1865 51:28  Manendre firenena sy ireo mpanjakan’ ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
Jere Mg1865 51:29  Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
Jere Mg1865 51:30  Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
Jere Mg1865 51:31  Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin’ ny mpanjakan’ i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
Jere Mg1865 51:32  Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
Jere Mg1865 51:33  Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
Jere Mg1865 51:34  Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
Jere Mg1865 51:35  Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an’ i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
Jere Mg1865 51:36  Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
Jere Mg1865 51:37  Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
Jere Mg1865 51:38  Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
Jere Mg1865 51:39  Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
Jere Mg1865 51:40  Hampidiniko ho any amin’ ny famonoana toy ny zanak’ ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin’ ny osilahy.
Jere Mg1865 51:41  Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ ny firenena Babylona.
Jere Mg1865 51:42  Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; Voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.
Jere Mg1865 51:43  Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.
Jere Mg1865 51:44  Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.
Jere Mg1865 51:45  Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
Jere Mg1865 51:46  Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; Fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
Jere Mg1865 51:47  koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr’ i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
Jere Mg1865 51:48  Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’ i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
Jere Mg1865 51:49  Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra noho ny amin’ i Babylona.
Jere Mg1865 51:50  Hianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
Jere Mg1865 51:51  Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ ny fitoerana masìna amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Jere Mg1865 51:52  Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voatrobaka.
Jere Mg1865 51:53  Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian’ ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
Jere Mg1865 51:54  Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana!
Jere Mg1865 51:55  Fa Jehovah no mandrava an’ i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ ny firohondrohony.
Jere Mg1865 51:56  Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
Jere Mg1865 51:57  Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Jere Mg1865 51:58  Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin’ ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo ka ho reraka.
Jere Mg1865 51:59  Ny teny izay nandidian’ i Jeremia mpaminany an’ i Seraia, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona tamin’ ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben’ ny mpanorin-dasy.
Jere Mg1865 51:60  Ary nosoratan’ i Jeremia teo amin’ ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’ i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin’ i Babylona.
Jere Mg1865 51:61  Ary hoy Jeremia tamin’ i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
Jere Mg1865 51:62  ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
Jere Mg1865 51:63  Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.
Jere Mg1865 51:64  ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin’ i Jeremia.