JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 38
Job | Mg1865 | 38:2 | Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana? | |
Job | Mg1865 | 38:5 | Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? | |
Job | Mg1865 | 38:6 | Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, | |
Job | Mg1865 | 38:7 | Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra? | |
Job | Mg1865 | 38:8 | Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, | |
Job | Mg1865 | 38:11 | Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? | |
Job | Mg1865 | 38:12 | Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro, | |
Job | Mg1865 | 38:14 | Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, | |
Job | Mg1865 | 38:16 | Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina? | |
Job | Mg1865 | 38:17 | Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana? | |
Job | Mg1865 | 38:18 | Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. | |
Job | Mg1865 | 38:19 | Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina? | |
Job | Mg1865 | 38:20 | Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony. | |
Job | Mg1865 | 38:21 | Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao! | |
Job | Mg1865 | 38:22 | Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, | |
Job | Mg1865 | 38:24 | Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany? | |
Job | Mg1865 | 38:25 | Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana, | |
Job | Mg1865 | 38:26 | Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina, | |
Job | Mg1865 | 38:29 | Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy? | |
Job | Mg1865 | 38:31 | Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? | |
Job | Mg1865 | 38:32 | Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao? | |
Job | Mg1865 | 38:33 | Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao? | |
Job | Mg1865 | 38:34 | Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? | |
Job | Mg1865 | 38:35 | Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? | |
Job | Mg1865 | 38:36 | Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? | |
Job | Mg1865 | 38:37 | Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra, | |
Job | Mg1865 | 38:39 | Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora, | |