Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 123
Psal Mg1865 123:1  Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
Psal Mg1865 123:2  Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.
Psal Mg1865 123:3  Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;
Psal Mg1865 123:4  Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.