Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 35
Psal Mg1865 35:1  Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin’ izay mamely ahy.
Psal Mg1865 35:2  Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
Psal Mg1865 35:3  Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
Psal Mg1865 35:4  Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
Psal Mg1865 35:5  Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah handroaka azy.
Psal Mg1865 35:6  Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah hanenjika azy.
Psal Mg1865 35:7  Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
Psal Mg1865 35:8  Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy.
Psal Mg1865 35:9  Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’ i Jehovah sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny.
Psal Mg1865 35:10  Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
Psal Mg1865 35:11  Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
Psal Mg1865 35:12  Mamaly ratsy ahy ho solon’ ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
Psal Mg1865 35:13  Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
Psal Mg1865 35:14  Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’ alahelo toy ny fisaona reny aho.
Psal Mg1865 35:15  Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
Psal Mg1865 35:16  Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
Psal Mg1865 35:17  Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ ny liona tanora.
Psal Mg1865 35:18  Hisaotra Anao eo amin’ ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ ny olona maro aho.
Psal Mg1865 35:19  Aoka tsy hifalian’ izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
Psal Mg1865 35:20  Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ ny tany.
Psal Mg1865 35:21  Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ ny masonay.
Psal Mg1865 35:22  Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
Psal Mg1865 35:23  Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko.
Psal Mg1865 35:24  Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho.
Psal Mg1865 35:25  Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
Psal Mg1865 35:26  Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
Psal Mg1865 35:27  Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony.
Psal Mg1865 35:28  Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.