Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 108
Psal Mg1865 108:2  Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
Psal Mg1865 108:3  Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
Psal Mg1865 108:4  Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa.
Psal Mg1865 108:5  Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 108:6  Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Psal Mg1865 108:7  Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
Psal Mg1865 108:8  Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
Psal Mg1865 108:9  Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
Psal Mg1865 108:10  Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako.
Psal Mg1865 108:11  Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
Psal Mg1865 108:12  Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
Psal Mg1865 108:13  Vonjeo amin’ ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
Psal Mg1865 108:14  Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.