Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 3
Psal Mg1865 3:2  Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
Psal Mg1865 3:3  Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]
Psal Mg1865 3:4  Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
Psal Mg1865 3:5  Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.
Psal Mg1865 3:6  Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]
Psal Mg1865 3:7  Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
Psal Mg1865 3:8  Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
Psal Mg1865 3:9  An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.]