Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 12
Psal Mg1865 12:2  Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
Psal Mg1865 12:3  Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
Psal Mg1865 12:4  Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
Psal Mg1865 12:5  Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
Psal Mg1865 12:6  Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.
Psal Mg1865 12:7  Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.
Psal Mg1865 12:8  Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.
Psal Mg1865 12:9  Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.