Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
Psal Mg1865 2:1  Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
Psal Mg1865 2:2  Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
Psal Mg1865 2:3  “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.”
Psal Mg1865 2:4  Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
Psal Mg1865 2:5  Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:
Psal Mg1865 2:6  “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”
Psal Mg1865 2:7  “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
Psal Mg1865 2:8  Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
Psal Mg1865 2:9  Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
Psal Mg1865 2:10  Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.
Psal Mg1865 2:11  Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
Psal Mg1865 2:12  Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.