Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 102
Psal Mg1865 102:2  Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
Psal Mg1865 102:3  Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
Psal Mg1865 102:4  Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
Psal Mg1865 102:5  Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
Psal Mg1865 102:6  Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.
Psal Mg1865 102:7  Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
Psal Mg1865 102:8  Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
Psal Mg1865 102:9  Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
Psal Mg1865 102:10  Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
Psal Mg1865 102:11  Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
Psal Mg1865 102:12  Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
Psal Mg1865 102:13  Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Psal Mg1865 102:14  Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
Psal Mg1865 102:15  Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
Psal Mg1865 102:16  Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;
Psal Mg1865 102:17  Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
Psal Mg1865 102:18  Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
Psal Mg1865 102:19  Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;
Psal Mg1865 102:20  Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,
Psal Mg1865 102:21  Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
Psal Mg1865 102:22  Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
Psal Mg1865 102:23  Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.
Psal Mg1865 102:24  Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
Psal Mg1865 102:25  Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Psal Mg1865 102:26  Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.
Psal Mg1865 102:27  Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
Psal Mg1865 102:28  Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
Psal Mg1865 102:29  Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.