Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 92
Psal Mg1865 92:2  Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Psal Mg1865 92:3  Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
Psal Mg1865 92:4  Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.
Psal Mg1865 92:5  Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
Psal Mg1865 92:6  Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
Psal Mg1865 92:7  Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
Psal Mg1865 92:8  Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
Psal Mg1865 92:10  Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
Psal Mg1865 92:11  Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
Psal Mg1865 92:12  Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
Psal Mg1865 92:13  Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
Psal Mg1865 92:14  Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
Psal Mg1865 92:15  Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
Psal Mg1865 92:16  Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.