Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 101
Psal Mg1865 101:1  Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
Psal Mg1865 101:2  Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho.
Psal Mg1865 101:3  Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
Psal Mg1865 101:4  Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,
Psal Mg1865 101:5  Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
Psal Mg1865 101:6  Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy.
Psal Mg1865 101:7  Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga.
Psal Mg1865 101:8  Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah.