Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 66
Psal Mg1865 66:1  Mihobia ho an’ Andriamanitra, ry tany rehetra;
Psal Mg1865 66:2  Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
Psal Mg1865 66:3  Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.
Psal Mg1865 66:4  Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.]
Psal Mg1865 66:5  Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona.
Psal Mg1865 66:6  Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 66:7  Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. [Sela.]
Psal Mg1865 66:8  Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
Psal Mg1865 66:9  Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
Psal Mg1865 66:10  Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.
Psal Mg1865 66:11  Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
Psal Mg1865 66:12  Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao.
Psal Mg1865 66:13  Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
Psal Mg1865 66:14  Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
Psal Mg1865 66:15  Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.]
Psal Mg1865 66:16  Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.
Psal Mg1865 66:17  Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako.
Psal Mg1865 66:18  Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
Psal Mg1865 66:19  Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy.
Psal Mg1865 66:20  Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.