Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 11
Psal Mg1865 11:1  Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
Psal Mg1865 11:2  Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
Psal Mg1865 11:3  Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ ny marina atao?
Psal Mg1865 11:4  Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psal Mg1865 11:5  Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ ny fanahiny.
Psal Mg1865 11:6  Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
Psal Mg1865 11:7  Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.