Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 28
Psal Mg1865 28:1  Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho.
Psal Mg1865 28:2  Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho.
Psal Mg1865 28:3  Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
Psal Mg1865 28:4  Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
Psal Mg1865 28:5  Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
Psal Mg1865 28:6  Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon’ ny fifonako Izy.
Psal Mg1865 28:7  Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
Psal Mg1865 28:8  Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.
Psal Mg1865 28:9  Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.