Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 64
Psal Mg1865 64:2  Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo.
Psal Mg1865 64:3  Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy,
Psal Mg1865 64:4  Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
Psal Mg1865 64:5  Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
Psal Mg1865 64:6  Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
Psal Mg1865 64:7  Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony.
Psal Mg1865 64:8  Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany.
Psal Mg1865 64:9  Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.
Psal Mg1865 64:10  Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
Psal Mg1865 64:11  Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.