Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 21
Psal Mg1865 21:2  Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao!
Psal Mg1865 21:3  Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. [Sela.]
Psal Mg1865 21:4  Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
Psal Mg1865 21:5  Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
Psal Mg1865 21:6  Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
Psal Mg1865 21:7  Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.
Psal Mg1865 21:8  Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
Psal Mg1865 21:9  Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
Psal Mg1865 21:10  Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
Psal Mg1865 21:11  Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;
Psal Mg1865 21:12  Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
Psal Mg1865 21:13  Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
Psal Mg1865 21:14  Misandrata amin’ ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.