Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 84
Psal Mg1865 84:2  Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!
Psal Mg1865 84:3  Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.
Psal Mg1865 84:4  Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
Psal Mg1865 84:5  Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.]
Psal Mg1865 84:6  Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
Psal Mg1865 84:7  Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
Psal Mg1865 84:8  Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
Psal Mg1865 84:9  Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.]
Psal Mg1865 84:10  Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.
Psal Mg1865 84:11  Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 84:12  Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.
Psal Mg1865 84:13  Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.