Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 5
Psal Mg1865 5:2  Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
Psal Mg1865 5:3  Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.
Psal Mg1865 5:4  Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
Psal Mg1865 5:5  Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
Psal Mg1865 5:6  Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
Psal Mg1865 5:7  Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta.
Psal Mg1865 5:8  Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho.
Psal Mg1865 5:9  Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
Psal Mg1865 5:10  Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.
Psal Mg1865 5:11  Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao.
Psal Mg1865 5:12  Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
Psal Mg1865 5:13  Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.