Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
Psal Mg1865 20:2  Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.
Psal Mg1865 20:3  Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
Psal Mg1865 20:4  Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.]
Psal Mg1865 20:5  Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
Psal Mg1865 20:6  Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
Psal Mg1865 20:7  Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
Psal Mg1865 20:8  Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
Psal Mg1865 20:9  Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
Psal Mg1865 20:10  Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.