Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 81
Psal Mg1865 81:2  Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
Psal Mg1865 81:3  Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.
Psal Mg1865 81:4  Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.
Psal Mg1865 81:5  Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba.
Psal Mg1865 81:6  Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
Psal Mg1865 81:7  Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
Psal Mg1865 81:8  Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.]
Psal Mg1865 81:9  Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
Psal Mg1865 81:10  Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.
Psal Mg1865 81:11  Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
Psal Mg1865 81:12  Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
Psal Mg1865 81:13  Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.
Psal Mg1865 81:14  Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;
Psal Mg1865 81:15  Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
Psal Mg1865 81:16  Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko;
Psal Mg1865 81:17  Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.