Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 147
Psal Mg1865 147:1  Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
Psal Mg1865 147:2  Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
Psal Mg1865 147:3  Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
Psal Mg1865 147:4  Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.
Psal Mg1865 147:5  Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
Psal Mg1865 147:6  Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
Psal Mg1865 147:7  Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
Psal Mg1865 147:8  Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
Psal Mg1865 147:9  Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
Psal Mg1865 147:10  Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
Psal Mg1865 147:11  Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
Psal Mg1865 147:12  Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.
Psal Mg1865 147:13  Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
Psal Mg1865 147:14  Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
Psal Mg1865 147:15  Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
Psal Mg1865 147:16  Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
Psal Mg1865 147:17  Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
Psal Mg1865 147:18  Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
Psal Mg1865 147:19  Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
Psal Mg1865 147:20  Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.