Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 116
Psal Mg1865 116:1  Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.
Psal Mg1865 116:2  Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
Psal Mg1865 116:3  Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.
Psal Mg1865 116:4  Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
Psal Mg1865 116:5  Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
Psal Mg1865 116:6  Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
Psal Mg1865 116:7  Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
Psal Mg1865 116:8  Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana.
Psal Mg1865 116:9  Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho.
Psal Mg1865 116:10  Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
Psal Mg1865 116:11  Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
Psal Mg1865 116:12  Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
Psal Mg1865 116:13  Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.
Psal Mg1865 116:14  Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.
Psal Mg1865 116:15  Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masìna.
Psal Mg1865 116:16  Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
Psal Mg1865 116:17  Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
Psal Mg1865 116:18  Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra,
Psal Mg1865 116:19  Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.