Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 120
Psal Mg1865 120:1  Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,
Psal Mg1865 120:2  Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka
Psal Mg1865 120:3  Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
Psal Mg1865 120:4  Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.
Psal Mg1865 120:5  Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!
Psal Mg1865 120:6  Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.
Psal Mg1865 120:7  Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.