Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 105
Psal Mg1865 105:1  Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany.
Psal Mg1865 105:2  Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Psal Mg1865 105:3  Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
Psal Mg1865 105:4  Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
Psal Mg1865 105:5  Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
Psal Mg1865 105:6  Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
Psal Mg1865 105:7  Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Psal Mg1865 105:8  Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
Psal Mg1865 105:9  Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka;
Psal Mg1865 105:10  Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
Psal Mg1865 105:11  Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina,
Psal Mg1865 105:12  Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
Psal Mg1865 105:13  Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
Psal Mg1865 105:14  Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
Psal Mg1865 105:15  Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
Psal Mg1865 105:16  Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;
Psal Mg1865 105:17  Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
Psal Mg1865 105:18  Nampijaliny tamin’ ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
Psal Mg1865 105:19  Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah.
Psal Mg1865 105:20  Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
Psal Mg1865 105:21  Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
Psal Mg1865 105:22  Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
Psal Mg1865 105:23  Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Psal Mg1865 105:24  Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
Psal Mg1865 105:25  Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
Psal Mg1865 105:26  Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
Psal Mg1865 105:27  Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Psal Mg1865 105:28  Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
Psal Mg1865 105:29  Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
Psal Mg1865 105:30  Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza.
Psal Mg1865 105:31  Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra.
Psal Mg1865 105:32  Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny.
Psal Mg1865 105:33  Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny.
Psal Mg1865 105:34  Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
Psal Mg1865 105:35  Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
Psal Mg1865 105:36  Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
Psal Mg1865 105:37  Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny.
Psal Mg1865 105:38  Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
Psal Mg1865 105:39  Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
Psal Mg1865 105:40  Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
Psal Mg1865 105:41  Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
Psal Mg1865 105:42  Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,
Psal Mg1865 105:43  Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana;
Psal Mg1865 105:44  Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny,
Psal Mg1865 105:45  Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.