Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 149
Psal Mg1865 149:1  Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.
Psal Mg1865 149:2  Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.
Psal Mg1865 149:3  Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
Psal Mg1865 149:4  Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
Psal Mg1865 149:5  Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
Psal Mg1865 149:6  Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
Psal Mg1865 149:7  Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
Psal Mg1865 149:8  Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.
Psal Mg1865 149:9  Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.