Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 31
Psal Mg1865 31:2  Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ ny fahamarinanao aho.
Psal Mg1865 31:3  Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
Psal Mg1865 31:4  Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
Psal Mg1865 31:5  Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
Psal Mg1865 31:6  Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
Psal Mg1865 31:7  Halako izay mivavaka amin’ ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.
Psal Mg1865 31:8  Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,
Psal Mg1865 31:9  ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ ny malalaka Hianao.
Psal Mg1865 31:10  Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’ alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
Psal Mg1865 31:11  Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
Psal Mg1865 31:12  Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
Psal Mg1865 31:13  Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Psal Mg1865 31:14  Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
Psal Mg1865 31:15  Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
Psal Mg1865 31:16  Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ ny tanan’ ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
Psal Mg1865 31:17  Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ ny famindram-ponao aho.
Psal Mg1865 31:18  Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Psal Mg1865 31:19  Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ ny avonavona sy ny fanamavoana.
Psal Mg1865 31:20  Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!
Psal Mg1865 31:21  Hanafina azy ao amin’ ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ ny lela mifanditra izy.
Psal Mg1865 31:22  Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
Psal Mg1865 31:23  Fa hoy izaho tamin’ ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
Psal Mg1865 31:24  Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
Psal Mg1865 31:25  Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an’ i Jehovah.