Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 119
Psal Mg1865 119:1  Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
Psal Mg1865 119:2  Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra;
Psal Mg1865 119:3  Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
Psal Mg1865 119:4  Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
Psal Mg1865 119:5  Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
Psal Mg1865 119:6  Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
Psal Mg1865 119:7  Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina.
Psal Mg1865 119:8  Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
Psal Mg1865 119:9  Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:10  Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho.
Psal Mg1865 119:11  Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
Psal Mg1865 119:12  Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:13  Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
Psal Mg1865 119:14  Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra.
Psal Mg1865 119:15  Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
Psal Mg1865 119:16  Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
Psal Mg1865 119:17  Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
Psal Mg1865 119:18  Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao.
Psal Mg1865 119:19  Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:20  Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
Psal Mg1865 119:21  Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.
Psal Mg1865 119:22  Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
Psal Mg1865 119:23  Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
Psal Mg1865 119:24  Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
Psal Mg1865 119:25  Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:26  Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:27  Ampahalalao ahy ny lalan’ ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
Psal Mg1865 119:28  Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:29  Ny lalan’ ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
Psal Mg1865 119:30  Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
Psal Mg1865 119:31  Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
Psal Mg1865 119:32  Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
Psal Mg1865 119:33  Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany.
Psal Mg1865 119:34  Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
Psal Mg1865 119:35  Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
Psal Mg1865 119:36  Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.
Psal Mg1865 119:37  Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.
Psal Mg1865 119:38  Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.
Psal Mg1865 119:39  Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
Psal Mg1865 119:40  Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 119:41  Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:42  Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
Psal Mg1865 119:43  Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
Psal Mg1865 119:44  Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
Psal Mg1865 119:45  Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
Psal Mg1865 119:46  Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
Psal Mg1865 119:47  Ary hiravoravo amin’ ny didinao aho Satria tiako ireny.
Psal Mg1865 119:48  Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
Psal Mg1865 119:49  Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.
Psal Mg1865 119:50  Izao no mampionona ahy amin’ ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
Psal Mg1865 119:51  Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ ny lalànao aho.
Psal Mg1865 119:52  Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
Psal Mg1865 119:53  Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Psal Mg1865 119:54  Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako.
Psal Mg1865 119:55  Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
Psal Mg1865 119:57  Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
Psal Mg1865 119:58  Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:59  Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao.
Psal Mg1865 119:60  Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao.
Psal Mg1865 119:61  Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
Psal Mg1865 119:62  Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
Psal Mg1865 119:63  Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.
Psal Mg1865 119:64  Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:65  Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:66  Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
Psal Mg1865 119:67  Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
Psal Mg1865 119:68  Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:69  Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
Psal Mg1865 119:70  Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
Psal Mg1865 119:71  Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
Psal Mg1865 119:72  Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
Psal Mg1865 119:73  Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
Psal Mg1865 119:74  Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
Psal Mg1865 119:75  Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
Psal Mg1865 119:76  Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao.
Psal Mg1865 119:77  Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
Psal Mg1865 119:78  Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
Psal Mg1865 119:79  Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
Psal Mg1865 119:80  Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
Psal Mg1865 119:81  Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
Psal Mg1865 119:82  Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
Psal Mg1865 119:83  Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
Psal Mg1865 119:84  Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao?
Psal Mg1865 119:85  Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
Psal Mg1865 119:86  Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
Psal Mg1865 119:87  Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
Psal Mg1865 119:88  Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
Psal Mg1865 119:89  Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
Psal Mg1865 119:90  Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
Psal Mg1865 119:91  Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
Psal Mg1865 119:92  Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ ny fahoriako aho.
Psal Mg1865 119:93  Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
Psal Mg1865 119:94  Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
Psal Mg1865 119:95  Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
Psal Mg1865 119:96  Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
Psal Mg1865 119:97  Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
Psal Mg1865 119:98  Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
Psal Mg1865 119:99  Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
Psal Mg1865 119:100  Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
Psal Mg1865 119:101  Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
Psal Mg1865 119:102  Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
Psal Mg1865 119:103  Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
Psal Mg1865 119:104  Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
Psal Mg1865 119:105  Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
Psal Mg1865 119:106  Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
Psal Mg1865 119:107  Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:108  Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
Psal Mg1865 119:109  An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
Psal Mg1865 119:110  Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho.
Psal Mg1865 119:111  Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
Psal Mg1865 119:112  Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
Psal Mg1865 119:114  Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
Psal Mg1865 119:115  Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’ Andriamanitro.
Psal Mg1865 119:116  Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho.
Psal Mg1865 119:117  Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
Psal Mg1865 119:118  Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
Psal Mg1865 119:119  Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
Psal Mg1865 119:120  Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
Psal Mg1865 119:121  Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy.
Psal Mg1865 119:122  Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
Psal Mg1865 119:123  Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin’ ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 119:124  Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:125  Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
Psal Mg1865 119:126  Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
Psal Mg1865 119:127  Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
Psal Mg1865 119:128  Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
Psal Mg1865 119:129  Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
Psal Mg1865 119:130  Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.
Psal Mg1865 119:131  Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
Psal Mg1865 119:132  Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao.
Psal Mg1865 119:133  Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Psal Mg1865 119:134  Vonjeo amin’ ny fampahorian’ ny olona Dia hitandrina ny didinao.
Psal Mg1865 119:135  Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:136  Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
Psal Mg1865 119:137  Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
Psal Mg1865 119:138  Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
Psal Mg1865 119:139  Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
Psal Mg1865 119:140  Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao.
Psal Mg1865 119:141  Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
Psal Mg1865 119:142  Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
Psal Mg1865 119:143  Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
Psal Mg1865 119:144  Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
Psal Mg1865 119:145  Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
Psal Mg1865 119:146  Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
Psal Mg1865 119:147  Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
Psal Mg1865 119:148  Nialoha ny fiambenana amin’ ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
Psal Mg1865 119:149  Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
Psal Mg1865 119:150  Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
Psal Mg1865 119:151  Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
Psal Mg1865 119:152  Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
Psal Mg1865 119:153  Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
Psal Mg1865 119:154  Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:155  Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
Psal Mg1865 119:156  Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
Psal Mg1865 119:157  Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho.
Psal Mg1865 119:158  Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
Psal Mg1865 119:159  He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
Psal Mg1865 119:160  Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
Psal Mg1865 119:161  Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko.
Psal Mg1865 119:162  Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
Psal Mg1865 119:163  Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
Psal Mg1865 119:164  Impito isan’ andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
Psal Mg1865 119:165  Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
Psal Mg1865 119:166  Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
Psal Mg1865 119:167  Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
Psal Mg1865 119:168  Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
Psal Mg1865 119:169  Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:170  Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
Psal Mg1865 119:171  Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
Psal Mg1865 119:172  Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
Psal Mg1865 119:173  Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
Psal Mg1865 119:174  Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
Psal Mg1865 119:175  Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
Psal Mg1865 119:176  Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.