Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 69
Psal Mg1865 69:2  Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ ny aiko ny rano.
Psal Mg1865 69:3  Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
Psal Mg1865 69:4  Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho.
Psal Mg1865 69:5  Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
Psal Mg1865 69:6  Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
Psal Mg1865 69:7  Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
Psal Mg1865 69:8  Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
Psal Mg1865 69:9  Efa vahiny amin’ ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho.
Psal Mg1865 69:10  Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
Psal Mg1865 69:11  Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
Psal Mg1865 69:12  Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho.
Psal Mg1865 69:13  Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ ny mpisotro toaka an-kira aho.
Psal Mg1865 69:14  Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao.
Psal Mg1865 69:15  Afaho amin’ ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’ izay mankahala ahy sy amin’ ny rano lalina.
Psal Mg1865 69:16  Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
Psal Mg1865 69:17  Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao.
Psal Mg1865 69:18  Ary aza manafina ny tavanao amin’ ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
Psal Mg1865 69:19  Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ ny fahavaloko.
Psal Mg1865 69:20  Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
Psal Mg1865 69:21  Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
Psal Mg1865 69:22  Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
Psal Mg1865 69:23  Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ ny tsy manana ahiahy.
Psal Mg1865 69:24  Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
Psal Mg1865 69:25  Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ ny fahaviniranao.
Psal Mg1865 69:26  Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
Psal Mg1865 69:27  Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ ny voatsindronao dia lazalazainy.
Psal Mg1865 69:28  Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ ny fahamarinanao izy.
Psal Mg1865 69:29  Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ ny bokin’ ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ ny marina.
Psal Mg1865 69:30  Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
Psal Mg1865 69:31  Hankalaza ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ ny fisaorana.
Psal Mg1865 69:32  Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
Psal Mg1865 69:33  Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 69:34  Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
Psal Mg1865 69:35  Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
Psal Mg1865 69:36  Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;
Psal Mg1865 69:37  Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.