Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 89
Psal Mg1865 89:2  Ny famindram-pon’ i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ ny vavako ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 89:3  Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Psal Mg1865 89:4  “Efa nanao fanekena tamin’ ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’ i Davida mpanompoko Aho hoe:
Psal Mg1865 89:5  Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.” [Sela.]
Psal Mg1865 89:6  Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
Psal Mg1865 89:7  Fa iza any an-danitra no mitovy amin’ i Jehovah? Ary iza amin’ ny zanak’ ireo andriamanitra no manahaka an’ i Jehovah,
Psal Mg1865 89:8  Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ ny fiangonan’ ny olo-masiny Ary hajain’ izay rehetra manodidina Azy?
Psal Mg1865 89:9  Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 89:10  Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
Psal Mg1865 89:11  Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
Psal Mg1865 89:12  Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
Psal Mg1865 89:13  Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
Psal Mg1865 89:14  Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
Psal Mg1865 89:15  Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
Psal Mg1865 89:16  Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.
Psal Mg1865 89:17  Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
Psal Mg1865 89:18  Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay.
Psal Mg1865 89:19  Fa an’ i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay.
Psal Mg1865 89:20  Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona.
Psal Mg1865 89:21  Efa nahita an’ i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masìna no nanosorako azy;
Psal Mg1865 89:22  Izy no homban’ ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
Psal Mg1865 89:23  Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 89:24  Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
Psal Mg1865 89:25  Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ ny tandrony.
Psal Mg1865 89:26  Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony.
Psal Mg1865 89:27  Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
Psal Mg1865 89:28  Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
Psal Mg1865 89:29  Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
Psal Mg1865 89:30  Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
Psal Mg1865 89:31  Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
Psal Mg1865 89:32  Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
Psal Mg1865 89:33  Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
Psal Mg1865 89:34  Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
Psal Mg1865 89:35  Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ ny molotro tsy hovako.
Psal Mg1865 89:36  Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho:
Psal Mg1865 89:37  Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
Psal Mg1865 89:38  Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. [Sela.]
Psal Mg1865 89:39  Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ ny voahosotrao Hianao.
Psal Mg1865 89:40  Efa nahafoana ny fanekena tamin’ ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
Psal Mg1865 89:41  Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
Psal Mg1865 89:42  Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy.
Psal Mg1865 89:43  Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
Psal Mg1865 89:44  Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady.
Psal Mg1865 89:45  Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ ny tany.
Psal Mg1865 89:46  Efa nahafohy ny andron’ ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. [Sela.]
Psal Mg1865 89:47  Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
Psal Mg1865 89:48  Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
Psal Mg1865 89:49  Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? [Sela.]
Psal Mg1865 89:50  Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao?
Psal Mg1865 89:51  Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ ny firenena rehetra,
Psal Mg1865 89:52  Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
Psal Mg1865 89:53  Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.