Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 104
Psal Mg1865 104:1  Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
Psal Mg1865 104:2  Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
Psal Mg1865 104:3  Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra,
Psal Mg1865 104:4  Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
Psal Mg1865 104:5  Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
Psal Mg1865 104:6  Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
Psal Mg1865 104:7  Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izy
Psal Mg1865 104:8  Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany.
Psal Mg1865 104:9  Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
Psal Mg1865 104:10  Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny,
Psal Mg1865 104:11  Ka isotroan’ ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ ny boriki-dia ny hetahetany;
Psal Mg1865 104:12  Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany.
Psal Mg1865 104:13  Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
Psal Mg1865 104:14  Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany.
Psal Mg1865 104:15  Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.
Psal Mg1865 104:16  Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny;
Psal Mg1865 104:17  Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony.
Psal Mg1865 104:18  Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka.
Psal Mg1865 104:19  Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
Psal Mg1865 104:20  Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala;
Psal Mg1865 104:21  Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 104:22  Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
Psal Mg1865 104:23  Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro.
Psal Mg1865 104:24  Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Psal Mg1865 104:25  Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
Psal Mg1865 104:26  Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
Psal Mg1865 104:27  Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany.
Psal Mg1865 104:28  Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
Psal Mg1865 104:29  Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy,
Psal Mg1865 104:30  Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.
Psal Mg1865 104:31  Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany.
Psal Mg1865 104:32  Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
Psal Mg1865 104:33  Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
Psal Mg1865 104:34  Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.
Psal Mg1865 104:35  Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.