Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 62
Psal Mg1865 62:2  Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
Psal Mg1865 62:3  Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Psal Mg1865 62:4  Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
Psal Mg1865 62:5  Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. [Sela.]
Psal Mg1865 62:6  Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
Psal Mg1865 62:7  Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
Psal Mg1865 62:8  Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 62:9  Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela.]
Psal Mg1865 62:10  Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
Psal Mg1865 62:11  Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
Psal Mg1865 62:12  Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.
Psal Mg1865 62:13  Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.