Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 124
Psal Mg1865 124:1  Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
Psal Mg1865 124:2  Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
Psal Mg1865 124:3  Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
Psal Mg1865 124:4  Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
Psal Mg1865 124:5  Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
Psal Mg1865 124:6  Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.
Psal Mg1865 124:7  Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
Psal Mg1865 124:8  Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.