Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 130
Psal Mg1865 130:1  Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Psal Mg1865 130:2  Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.
Psal Mg1865 130:3  Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
Psal Mg1865 130:4  Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
Psal Mg1865 130:5  Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
Psal Mg1865 130:6  Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.
Psal Mg1865 130:7  Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;
Psal Mg1865 130:8  Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.