Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 36
Psal Mg1865 36:2  Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
Psal Mg1865 36:3  Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
Psal Mg1865 36:4  Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
Psal Mg1865 36:5  Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
Psal Mg1865 36:6  Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 36:7  Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
Psal Mg1865 36:8  Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.
Psal Mg1865 36:9  Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
Psal Mg1865 36:10  Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
Psal Mg1865 36:11  Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
Psal Mg1865 36:12  Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 36:13  Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.