Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 115
Psal Mg1865 115:1  Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 115:2  Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Psal Mg1865 115:3  Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Psal Mg1865 115:4  Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
Psal Mg1865 115:5  Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
Psal Mg1865 115:6  Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
Psal Mg1865 115:7  Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Psal Mg1865 115:8  Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Psal Mg1865 115:9  Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Psal Mg1865 115:10  Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Psal Mg1865 115:11  Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Psal Mg1865 115:12  Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;
Psal Mg1865 115:13  Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
Psal Mg1865 115:14  Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.
Psal Mg1865 115:15  Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Psal Mg1865 115:16  Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.
Psal Mg1865 115:17  Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;
Psal Mg1865 115:18  Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.