Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 47
Psal Mg1865 47:2  Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 47:3  Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.
Psal Mg1865 47:4  Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.
Psal Mg1865 47:5  Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.]
Psal Mg1865 47:6  Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.
Psal Mg1865 47:7  Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
Psal Mg1865 47:8  Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
Psal Mg1865 47:9  Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.
Psal Mg1865 47:10  Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.