Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 90
Psal Mg1865 90:1  Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao.
Psal Mg1865 90:2  Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Psal Mg1865 90:3  Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
Psal Mg1865 90:4  Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.
Psal Mg1865 90:5  Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
Psal Mg1865 90:6  Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.
Psal Mg1865 90:7  Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
Psal Mg1865 90:8  Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.
Psal Mg1865 90:9  Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
Psal Mg1865 90:10  Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
Psal Mg1865 90:11  Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
Psal Mg1865 90:12  Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
Psal Mg1865 90:13  Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
Psal Mg1865 90:14  Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
Psal Mg1865 90:15  Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
Psal Mg1865 90:16  Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
Psal Mg1865 90:17  Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.