Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 121
Psal Mg1865 121:1  Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
Psal Mg1865 121:2  Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Psal Mg1865 121:3  Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Psal Mg1865 121:4  Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
Psal Mg1865 121:5  Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.
Psal Mg1865 121:6  Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
Psal Mg1865 121:7  Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Psal Mg1865 121:8  Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.